NY TENA NAMANA Ny tena na (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENA NAMANA
Ny tena namana mihevitra
izay hahafaly anao hatrany,
Fa tsy manao izay hahatezitra
sy hampalahelo anao izany!
Ny tena namana mampitraka
sy mampahery ny fo,
Fa tsy mamela anao hizaka
samirery izay manjo!
Ny tena namana mananatra
raha misy ny tsy mety atao,
Fa tsy izy indray no hampianatra
mba hanao ny tsy fanao!
Ny tena namana manitsy
raha toa ianao ka diso lalana,
Fa tsy ho vitany mihitsy
izany hoe hialangalana!
Ny tena namana ihany koa
tsy mifanisy ratsy izany,
Fa mahay mifanasoa
sy mifankatia ety an-tany!
--------
Rohy:
2250 1
Mpakafy: hasina poeta
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143