Fa maninona? (Bovalox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona ary isika no tsy mba miray hina?
Ady lava isan'andro, gidragidra mahavariana
Ny mpilalao pôlitika mahazo aina sady faly
Fa isika Malagasy ravarava sy mijaly

Izireo any ambadika miarapaly sy mirevy
Fa isika mianankavy amporisihina higrevy
Ankolafy marobe mpiady seza jiolahimboto
Ny taranaka amampara, kila may sy hotohoto

Fa misy vendrana amzany kely sisa dia ho alika
Hoe aleo ho potika any ny tanindrazantsika
Fa ny anay rehefa vola dia ekena sy hatao
Ka ny basy sy ny antsy no ataony kilalao

Tsisy saina sady dondrona ireo chef de mouvance
Mamporisika ny olona hifamono hanao vageance
Dia ny vendrana amin'izany tsy misaina na dia kely
Mpianakavy ao an-trano dia mifandrafy mifamely

'Reo vahiny ange jereo e! Faly sady ravoravo
Mahita antsika mifamono potika sy misy lavo
Haka ny harenantsika ny tanjona kendreny
Sy ny tombotsoa manokana mba ho an'ny fireneny

Mba mandiniha iray minitra sy manontany tena
Hoe inona ny ataoko eto miady ho an'ny firenena?
Mandainga ianao raha milaza fa izay no tanjonao
Fa tsy fitiavan'olona sy fankahalàna tsotr'izao!

Fankahalàna izay mazàva fa tsy avy amin-janahary
Fa notefena vonjimaika hita be mibaribary
Hiady mafy sy ho faty mba ho sambatra i Sefo
Ianao maty sy mijaly f'izy ange mpanefoefo

Aleo hilamina zalahy Ilay Madagasikara ah!
Aza avela hifamono ny zanaka amam-para
Ianareo raha miady seza dia mba ataovy ampanajàna
Fa tsy mandrisika hifamono nefa hoe mba tan-dalàna

Iza ilay mpamono sy mpisambotra: MALAGASY
Iza ilay samborina sy gadraina :MALAGASY
Iza ilay mandrisika hanao an'izany MALAGASY (chef de mouvance)
NOHO NY VOLA SY NY TOMBOTSOAN'NY VAHINY
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1309 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bovalox
Nampiditra : bovalux
Daty : 19/05/2012 16:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135