Mpanao sintomahery (Bovalox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo za hanokatra pejy vaovao
Hanaparako tsara anle ady rima
Satria mbola hitako ho lava ny lalao
Hanasa vangy hoy ny hiran'i MIMA

Am'zao ora izao lou dia fantatro tsara
Fa betsaka ny oul misy hambara
Saingy ny masony efa te-hatory
De bonne nuit ary, sa manakory?

Za lou zany hiresaka kely
Ny zavatra koboko tam'androany
Tsy resak'alika na tsaho velively
Fa zavatra hitako nampitomany

Teo akaikin'ny tonelina Ambanidia
Nisy rangahy efa katry sy mamo
Tsy haiko hoe taiz'izy no nana-pi
Fa teo no niantomboka ny arira sy angano

Nisy madama ho any ampiangonana
Nilàny vaniny tsy nananany hantra
Nositoniny ilay lamba teny ambozonana
Nianjera i madama ka saika naratra

Nanontany amzay ary ny be sy ny maro
Hoe mpifankahalala va re ianareo?
No tena mikorontana sy mifangaro
Tahaka ny paty sy atody hoatr'ireo?

Namaly le madama tsy nisalasala
Fa hoe ty bainina ity de tsy fantany akory
F'angamba marary na koa lasa adala
Mandreraka be sady manorisory

Dia nisy niantso polisy ary ny oul ray
Ka saika hitsoaka ilay bandy mamo
Fa notazoniny nataony nahamay
Hoe mijanòna elà sao hidiran'angano

Roapolo minitra nijanona teo
Samy niandry ny zavatra hitranga
Miala any ny polisy f'izany lay feo
Arahina jiro manjelatra manga

Vao tonga ny prà dia nanao fisavàna
Ka tratra ny antsy maranitra be
Teo vao gaga sy nihanahàna
Fa mpanendaka kay le nanao nampme

Dia nasiana menotte le rangahy katry
Nakarina tanatin'ny fiarakodia
Niridana mafy dia lasa nankatsy
Ambadik'ity le tonelina 'ty

Zao amzay ary ny tohin'ny tantara
Tonga tany am-birao ry zareo
Ny andro moa mbola tsy tena soara
Fa tokony ho tamin'ny enina teo

Nisava ny toakan'ilay ramose
Rehefa nanomboka ny fanontaniana
Hoe oul otran'izao ve ise
Dia manendaka refa am'toeramangina

Mifona aho sefo fa tsy hanao tsony
Avelao aho mba hody fa miaiky fa diso
Tsy tompon'ny tenako aho fa mamo rongony
Ho hendry am zay aho hanomboka ampitso

Tsy misy an'zany leity ry leity..
Izay ngah adala sa efa mivaha?
Ny oul mifofotra mively vy
Ialahy maka fotsiny dia lasa mi-pà

Aza atao an'izany aho ry sefo malala
Fa mba olombelona nofo sy rà
Hitanao tsara fa ilaina ny dràla
Ny asa tsy misy, ny atao tsy savà

Zao ny kozîko amlà ry leity
Hozy le sefo nibetroka be
Tsisy handaharanlà ny aty
Fa refa migàdra manao mampme

Za nge sefo tsy nahazo n'in n'in
Fa otran'niresaka sy nanatsafa
Dia lazain'ny oul hoe saika haninona
Tamle madama nasosan'ny kapa

Tsy nasosan'kapa iny fa natosik'elà
F'aza mody fanina sy manadala
Ary ty antsy ity nga tsy fantatra fa
Saika hamonoana anze be dràla

Nosoratana amzay ary ny papier
Anarana, fanampiny sy adiresy
Ka henoy kely nge le ady klé
Fa toa hafahafa satria voa-press

Ny anarany hono dia i Virginie
Tsisy fanampiny fa izay ihany
Tsy anaram-behivavy ve zany leity
Hozy le sefo refa nanontany

Aiza ary zao ze mba karatr'éla
Sa tsisy,sa very,sa tavela any an-trano?
No mihanahana toa omby mifahy?
Manontany aho nge ry le manao mody mamo

Ndraso lou sefo fa tato le izy,
Nasitriko mafy tanatin'ity
Ianao ko dia efa mahasoso-krizy
Mila vaniny manomboka arY k'hatraty

Ka maika hiasa aho r'lay vendran'ity
Fa sao de heverinlà hilalao
Dakako eo ndray fa oui a oui
Sa atsofoka anaty violon zao d' zao?

Aoka re sefo fa tsitako marina
Nefa dia tato no nasiako azy
Za kou misy menotte de tsy afa-miarina
Fa mba omeo sorà lou hakako kòrazy

Ela loatra ka mety tsy ho andriko ialahy
Fa manadala toa mandeha hoazy
Ka tonga dia ataoko am-basy hoe PAAA
Ataoko avy hatrany am-fanaovana azy!

Oay! aoka sefo fa io nge tsy sangy
Za kely aina no sady marary
Aleo ihany aloha mifanasa vangy
Misotro,mifoka,avy eo mihinam-bary

In tsara hoe ty lazaintoi?
F'izaho nga vendrana sa tsisy saina
Navoakan'i Sefo ny basy ka : PPPAAAAAA!
Maty le mamo , ary tapitra ny ainy
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
2176 0
Hevitra mandeha
lolash ( 14/05/2012 19:57)
aza atao an izany aho ry sefo malala
fa olombelona nofo sy rà
hitanao tsara fa ilaina ny drala
ny asa tsy misy , ny atao tsy savà......

mdr !!!! , mahita atao , sur e!!!!!!
hery ( 14/05/2012 21:10)
loll,
Milay ilay fitantaranareo azy... na dia mampalahelo ara fa tena izany tokoa izao no tantara ao Dago ao.
nannie ( 15/05/2012 06:46)
Misaotra e ! tsara !
ikalamako ( 17/05/2012 12:03)
ndryyyyy...toudé paaa tsisy indrafo zany !!!! letia eeee...na dia hoe mpisam aza...
bovalux ( 31/05/2012 20:49)
Misaotra ny mpankafy eh ! Raha tsy misy mankafy dia manjary kamo ny mpanoratra ihiihi !
laaris ( 05/07/2012 11:02)
Hoy aho hoe:mafnartr fon e!zay makanareo atr@farany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bovalox
Nampiditra : bovalux
Daty : 14/05/2012 19:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099