Olona adala (Bovalox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo Analakely h'oa nisy olona adala
Eo akaikin'ny le fiandrasana bus
Betsaka ny oul no tsy nahalala
Fa variana mijery an'iretsy polisy

Mandeha moramora ilay olo-mitapy
Otran'ny hoe olo-norma ihany
Kay teny an-tànany dia nisy antsy
Vonona tonga de hilako avy hatrany

Mijerijery sy mandinika aloha
Izay no fihetsika ataon'nedala
Za etsy am-pita mandinika koa:
Hoe ny fiaingan'ty zany manalasala

Fa raha ny fitafiny no asian-teny
Tsy kobon-là mihintsy hoe LàSA
Fa raha ny fihetsika sy ny fiteny
Eo izy no hita hoe tena hafahafa

Niakatra kely am'zay ary izy
Nanatona teo am -R.M.1
Nimenomenona nahasoso-krizy
Fa otran'miteny hoe mahasosot1

Tampoka teo ary tonga dia TTRRIIAA
Rovitra ny akanjon-dRamadama kely
Za tsy naha-hetsika tsony zalà a!
Satria tampoka loatra lery no namely

In amzay ary ny zava-nitranga
Izy nga nihetsika na koa nitsoaka.
Menatra i Sipa am-lanitra manga
Satria ny silipony niseho vahoaka

Nikiakiaka tsy nisy hoatr'izany
Satria taitra mafy noho ny zava-miseho
F'ilay saro-bidy eto ambonin'ny tany
No indro fa hitan'ny olona teo

Gravy an-izany ry akama mpirima
F'ianao ngah ahoana mba marina mafy
Ny olona rehetra nahita dia sìna
Sady natahotra an-le olo-mitapy

Dia lasa lery niampita tsy taitra
Nikatra lasa nankany am-tonelina
Ny akanjon-drasipa jereo tata-jaitra
Ny sainy malemy ny lohany domelina

Teo akaikin-drasipa ary nisy fiara
Nahita tsara ny fandehan-le kôzy
Dia ozy saofera hoe avia miakara
F'ianao ve tsy menatra am-le pôzy?

Dia niakatra i Neny fa tsisy safidy
Lasan'ilay rangahy mpaka-fo
Dia fantatrareo am'zay ny adidy,
Sy ny andraikitra miandry an-le ramatoa.

MBOLA TANTARA HAFA KOA NY MIANDRY AZY ANY SATRIA LE RANGAHY TOA MATIM-BAVY hihihihi !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1403 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bovalox
Nampiditra : Bovalux
Daty : 18/05/2012 22:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158