Ny Sakafontsika anio - Menu du jour ! (Bovalox)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mieritrereta ihany ho'aho amin'izay zavatra atao
Nahandro paty ity madama dia nasiany sakamalao
Dia avy eo nasiana sira, vetsin sy atody
Ary menaka kely eran'ny sotro toa fanafody

Dia nafangaro tao daholo ka rehefa avy eo
Inona ny zavatra nitranga hoy 'nareo ?
Nentiny avy any tamin'ny vilia ny ravitoto
'Ty ambin-daoka tamin'ny alina, arotsahy ao ry Koto

Nafangaro tsara ary dia nasiana voatabia
Fa tena izay nijery nanao hoe inona ary 'ty
Rehefa akaiky ho masaka tsara dia narotsaka ny angivy
Tena ratsy lesy zany, f'izaho manoratra aza kivy

Potipotika ny paty nifangaro ravitoto
Zavatra hohanina dia ohatran'ny maloto
Tena olona adala, vendrana sy tsisy saina
Raha vadiko io zalahy, avy hatrany dia tehamaina

Dia samia ary mankafy ity tantarana sakafo
Ratsy be sy mankandoa nefa toa vidiana lafo
Pâte jaune sy ravitoto, mazotoa dia mahereza
Hatreo ndray aloha ny androany fa ny làlana mbola mideza

SAKAFO ANIO =PATE JAUNE SY RAVITOTO 250 EURO
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
1999 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bovalox
Nampiditra : bovalux
Daty : 25/05/2012 18:51
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142