Tavela irery (Bovalox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nakifiny aho nalàny, tsy haiko hazavaina;
Nesoriny hiala tsy haiko tantaraina;
Nolazainy fa masiaka sy mibedy ,
Miteny mafy ary angamba be kredy!

Izaho mbola nankafy sy nanonofy,
Nieritreritra fa hoe tsy misy rofy,
Kanjo indrisy fa nesoriny hiala!
Tapitra eto izany ilay antsoina hoe Malala !

Veloma ary dia mazotoa fa mbola ho ela
Ny hiainana eto an-tany vao afa-bela,
Mety ho telo na ho dimy na tsy fantatra,
Izay mbola ho tiavinao dia ankamantatra!

Ny ahy manokana angamba dia izao:
Hàka aina aloha hatramin'izao !
Hangina tsy hamaly na hisento
Fa fandalovana ny tany ange 'ry 'reto !

Ho anareo izay tena mbola mankafy!
Trotroiko am-bavaka ary dia soava dia
Aza dia mandray an-tendrony raha resaka
Fa sao dia ôtranle anahy tonga dia tresaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1473 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 16/09/2012 07:47)
hahaha! , siora e ! , hafakely njay iny!
yono ( 18/09/2012 08:50)
mlay e
mirananirina ( 18/09/2012 13:58)
tresaka tokoa rhf tsy mahay azy io
Herve2012 ( 29/09/2012 21:38)
Marna mitsy zany e! Tsara fa toizo e!.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bovalox
Nampiditra : BOVALUX
Daty : 15/09/2012 18:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146