You are here: home > Vetso

Maninona anefa ? - Bovalox

Azo vakiana?

Maninona moa na dia mangatsiaka?
Raha matory irery
Sa tena efa zatra ka tsy misy fika
Dia tsy mahari-pery ?

Maninona moa raha tsy misy malala
Dia mba mananontena
Sa efa zatra ilay safosafo tsy miala
Sy ilay nofon-kena?

Maninona moa raha mba manjokaiky
Dia mba miaritra kely
Sa efa zatra matory dia mifanakaiky
Sy manao mamikely

Maninona moa raha ny bodofotsy
No atao marobe?
Toy izay hanantena an'ilay hoe rafotsy
Efa lasa nandeha

Maninona anefa, avelao izy ho any !
Akipio koa ny maso
F'izay milingilingy mbola ho potraka ihany
Ka hiantso hoe andraso !

Sokajy : fananarana

Hevitra mandeha

gemaS (31/05/2012 15:24:20)

tena manaiky ny faaizanao za e!!!okay bovalox a!!manorata fona fa mlay e!!

bovalux (31/05/2012 22:46:19)

Misaotra nankafy eh !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Bovalox

Nampiditra : Bovalux
Daty : 29/05/2012
Mpamangy : 1019
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mandalo
Volana
Tavela irery
Madagasikara
Ny Sakafontsika anio Menu du jour !
Fa maninona?
Olona adala
Mpanao sintomahery