Madagasikara (Bovalox)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miaiky aho fa tena mafy i Madagasikara koa dia nosoratako ny ventsoventsoko:

Mafy lesy ialahy ry Madagasikara
Miaritra mangidy vonomoka sy kafara
Ny mpitondra an'ialahy hatramin'izao ka hatramin'izay
Nampitondra faisana nandoro nahamay

Tonga ny vazaha dia nozarainy enina
Faritany samihafa i Antalaha sy Vavantenina
Nefa vita tongotra ny elanelan-tany
Fa nozarainy tsotr'izao hoe samihafa faritany

Ny mpitondra voalohany i Ramose Tsiranana
Tsy dia nahavita firy fa hoe kely ny eo an-tànana
Ny fanjanaha-tany koa mbola nanindry mafy
Dia ny mponin'ialahy indray no indro fa nihafy

Tadidin'ialahy ve i Ramanantsoa ?
Ilay nolazain'ialahy hoe mpitondra faharoa
Tsy nahàfaka hafiriana dia potika sy rava
Ary tsy niamboho adidy ingahy Ratsimandrava

Izy kosa indray tamin'izany andro izany
Ilay ozy ialahy hoe hampijoro fokontany
Teo Ambohijatovo dia nifarana ny dia
Ka ny zava-nokasaina ,nosomparan'ny tsy tia

Teteza-mita ialahy vao lasana i Richard
Fa tsy kivy ialahy ry Madagasikara
Dia niakatra Ratsiraka fa hoe hitondra fandrosoana
Ka ny tarigetra dia ny hoe revolisionina

Teo ialahy ka teo tsy niroso fa nijoro
Ny vahoakan'ialahy amin'io efa mangorohoro
Dia tsy naharitra intsony fa hoe io alao
Dia nikipaka indray ilay mpitondra "kilalao"

Teteza-mita ndray ialahy mafy lesy izany
Manomboka miha-simba hatramin'ny volontany
Satria dia afobe mijoalajoala toy ny fety
Manenika any ambadika ny doro ala sy tanety

Mafy lesy ialahy ry Madagasikara
Nanomboka nisaraka ny zanaka amam-para
Satria ny fitondràna jereo fa goragora
Ka dia esory indray fa tsy mahay i Profesora

Fa ny nahatsikaiky sy tena mba tsy tiako
Dia ilay "Raika lahy taloha" nanemotra ny diako
Satria ialahy ry Madagasikara kely be adidy
Ka ny vahoaka nianteherana nivarotra safidy

Fantatr'ialahy tsara kosa aloha Ravalo
Izy koa nampanantena fa hiaro tsy himalo
Minoa fotsiny letsy ry Madagasikara
Fa ho sambatra tsy ho ela ny zanaka amam-para

Dia nosimbaina ora vitsy ilay hoe mba nandrandraina
Ka dia teteza-mita hatramin'izao ry sombin'ny aina
Tsy fantatra mihintsy hoe hifàrana hatraiza
F'efa manomboka misaraka hatramin'ny mpisakaiza

Fa efa mahazatra an'ialahy ny mahita
Mpitondra mahatsikaiky rehefa tetezamita
Tsy vao sambany ialahy no nahitàna izany
Satria mbola ao ambadika ny fanjanahantany

Raha faritany enina no niandohan'ialahy
Taona vitsy tato aoriana dia niha-simba ny fanahy
Ka ireo mpifankatia samy nanana mouvance
Nifampiandry an-kodimirana fa hoe hanao vengeance

Mafy lesy ialahy ry Madagasikara
Ny hazo sarobidy , volamena ,solifara....
Sy ny tsy ho lazaiko intsony fa namidin'ny mpitondra
Ary ilay vahoaka ao anatiny miesona fa ampondra

Lany hatramin'ny ranomaintin'ity peniko
Hanoratako ny momba an'ialahy fa tsy afeniko
Dia hatramin'izao tsy mbola fantatra ny anjara
Mafy LETSY IALAHY RY MANANKASINTSARA !
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo
2644 1
Mpakafy: hajam27
Hevitra mandeha
mirananirina ( 01/06/2012 08:19)
Bravo,mampa-datsaka ranomaso ilay izy!!mankasitra nareo mpanankato fa mahay tokoa
gemaS ( 01/06/2012 13:17)
tsita e!!tsika malagasy mts ko ne nten tsleo fijaliana e!!tena mafy marn madagasikara sy ny mponina ao @ra-zan tantara rhtr zan no jerena an!!!mahereza e!!ankinina @Tompo daolo!!tena tsara le asa-tanana fa toizo fona ralA!!!msaotr e!!
ikalamako ( 02/06/2012 08:51)
milay eeeeeeeeeeeeeeeeeeeee - taolana ny nify ka homehy tokoa fa dia mangidy moa izy ity saingy efa an-koditra koh
arialy ( 05/06/2012 16:21)
mihaiky koa aho ary mankasitraka fa milay éééé
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bovalox
Nampiditra : bovalux
Daty : 31/05/2012 20:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014