You are here: home > Vetso

FIRAISANA VOALOHANY - BREACKSONG

Azo vakiana?

Toa tsy tsapanao akory
‘ty foko mitempo mafy noho ny faniriana anao
Fa ny nahagaga ahy marina
Dia toa tsy hitanao akory
Ireo rotsa-dranomaso izay nandrakotra ny tavako
Fa ny hanao ihany no nahamaika anao
Ka nasisikao niletra
  
Oh! Tonga,Tonga  hoy ianao
Ilay ora izay nandrasana
Fa ilay fitiavako ho anjaran’ny fasana
Oh! Narary mafy mihitsy iny fotoana iny
Ka tsy ho adinoko mandrakizay
Ilay tsika iray toerana fa tsy nifankahita
Ianao koa moa tsy nitodika tery ampita
Ka tsy nahatsinjo akory ity masoko nipika
Tena,marina io fa tsy anganongano
Nahita anaonisoratra teny Soarano
“FIRAISANA VOALOHANY”

Hevitra mandeha

hery (23/05/2013 09:15:17)

Lalina be...

betroka (26/05/2013 15:40:13)

Jereo koa ity firaisana voalohany ity fa azo ampitahaina :
http://poeta.webs.com/tono_mahefa_2.html

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : BREACKSONG

Nampiditra : breacksong
Daty : 15/04/2013
Mpamangy : 2522
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Hanoratra aho
DEPUTE BE NOFY
ho an'ireo any ampita any
Teo Tsaralalana!
EMBONA
namako foana
Ao aminao
ny itiavako anao