You are here: home > Vetso

diniho - cedric tolojanahary

Nantsain'i
ikalamako

Diniho...

Aza dia manao,
Ririnin-dasa tsy tsaroana e!
Ka tsy hamakafaka,
Izay mihatra sy  midona.

Diniho aloha ny anio,
Ny ampitso koa hevero.
Dia 'zao no tadidio fa...
Ny ady mila hery.
Mila herin-tsaina,
Sy mila tanjam-po.
Tsy hila anao malaina fa...
Mikiry anaty fo.

Dia izao no aza hadinoina,
F'ianao mila mifantoka.
Mila manana finoana,
Miezaka miharitra, amin'ny zavatra natao.
Dia minoa fa handresy ianao.

Ny maraina

C├ędric tolojanahary

Sokajy : fiainana