FITIA TSY METY LANY (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra ho an'iza izato tanako androanyMiraraka ho an'iza ihany koa ireo tomany
Nofy mantsy isika anaty bokim-piankohonana
Nofy ihany koa ny hoe tafaraka tokonana
Dia ho aiza 'zany isika!
Inona no azo tanterahana hiraisana
Samy babo isika, ka mbý mahita faisana
Ho vitam-pangalarana fotoana tsy voatohitra
Ilay hanototra loasaha,hiova tendrombohitra
Tsy vitantsika izany!
Mieritreritra aho,moa manaiky ianao angamba
Nahoana isika roa raha toa ka manamboatra lamba
Hirakofan-tsika raha sendra andro mamanala
Izay hiombonan-tsika atao solofo dimbin'ny ala
Solontsika ety an-tany !
Izy no hanoratra tantara tsy voapenina
Izy no hanitatra ireo lamba tsy voatenona
Izy no hanamarika rehefa any am-parany any
Fa nisy isika roa ilay ''FITIA TSY METY LANY''
Ka naharitra doria!
--------
Lien:
