FITIAVAKO ANAO (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ahy ilay fitiavana tokana monja
Ny ahy ilay fitiavana mahazaka fonja
Ny ahy ilay fitiavana tsy mety may
Ny ahy ilay fitiavana mandrakizay

Ny ahy ilay fitiavana tsy azo sakanana
Ny ahy ilay fitiavana tia fihavanana
Ny ahy ilay fitiavana mahasedra mafy
Ny ilay fitia tsy mba mahay mampirafy

Ny ahy ilay fitiavana tsy mba malazo
Ilay tia kalokalo,sy tia vazovazo
Ny ahy ilay fitiavana vonona hikendry
Ilay tena malefaka sy tena hendry

Ny ahy ilay fitiavana manana jery
Ny ahy ilay fitiavana mahatsabo fery
Ny ahy ilay fitiavana marina indrindra
Ny ahy ilay fitiavana tsy mety hafindra

Ireo dia fitiavana avy amin'ny mpahary
Mendrika indrindra raha zava-boahary
Fitiavana vanona, mahay manamboatra
Afaka velona miaina any ankoatra
Izany no atao hoe : FITIAVAKO ANAO
--------
Rohy:
194 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 14/02/2024 08:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142