HADINOY (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampiasao ny saina mba hanadino ny hafa
Aza asina gôma na hiandrasana kifafa
Hilazao ny fo,mba hanilana ny ahamaminy
Ampahafataro an'azy, fa iny kay nindraminy
Fa tsy azy irery akory
Ka handefasam-bina,sy tsy ahitana tory
Ka sitranà hono hoe!

Bedeso indray ny tanana, fandrao mbola mandray
Ampahatsahivo an'azy irony zavatra nahafay
Ka tsy hisafosafo na hiverina hanongo
Fa hasaky miana tokana ao anaty trano bongo
Ka hadinoana ny aminy!

Teneno aloha ny tongotra fa mihevitra hitsaitsaika
Mitady handangolango sy mitady hanova paika
Maniry toa hiverina amin'ny tsilo izay nandratra
Tsy aleo ve olon-kafa indray no ahondana eo an-tratra
Ka hadinoana ny aminy!

Ry maso mitsipelatra, tapenanay nareo
Tsy avelanay hitazana,ndrao matsy ho fanina eo
Ka hoe hivarina any, iny hantsa-makadiry
Dia hianoka hatsiaka sy karazana hirifiry
Ka hadinoana ny aminy!

Ry vava mpiantsoantso sy mpanonona ny anarany
Ry orona mpambolo sy mpanoroka ny hatsarany
Fafao manombok'eto ny fiainana fahiny
Dia miandry kely indray 'zay vao mampiditra vahiny
Ka hadinoana ny aminy!
--------
Rohy:
132 1
Mpakafy: DADAFARAtolotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.07