HAFA MIHITSY (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiratra toa raozy, ny lokom-pelam-boniny
Mapodipody mandry, ny kalo izay foroniny
Manitona ny maso, ny haingohaingo an-tavany
Toy ny vatosoa, ny nify anaty vavany

Toa lamban'ny anjely, ny tafy fisalorany
Mananko fahalafarana, ny lalana fizorany
Toa kitana sy volana, ny masony mitazana
Fikiriko ny sandriny,ary hanidiko vazana

Tsy mahay mamitaka, mpandositra hadalana
Rano tsy hisy fetrany, hatao dobo fatsakana
Afaka hitovozana, solofo dimbin'ala
Tena tiako loatra, ka tsy asina salasala

Faranako ny soratra, izao no mba lazaina
Hafa mihitsy ianao, atrany am-parapofon'aina
Fatorako voady, fefeko anaty dina
Sambatra ny fianako fa manan'olon-tiana
Rehefa tonga ianao!
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa-2024
196 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 19/03/2024 05:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144