HANITRA MANDAINGA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao ry tovovavy, no dia mivadibadidela,
Angolangolan-teny maro, nefa tsy naharitr' ela,
Nahoana ianao no mahay mitia, nefa avy eo mamilafila
Rehefa diso tafalatsaka, dia hoy ianao: izaho tsy mila!

Nahoana ianao ry tovovavy no dia sarotra faritana,
Tsy azo vinaniana akory fa, trondro iray tsy mila fitana,
Fa mba manao ahoana re, raha miova manam-pahendrena
Tsy nanara-diĆ  an'i Eva,fa miala tao an-tsaha edena

Sahinao ny velirano, fa fasana sy fahafatesana
No hany tokana hisarahana,
Jamba izaho ka dia voafahana,
Lainga no nameno vava
Tia miova loko ianao, tsy mba menatra nandrava

Nahoana ianao no dia nanonona,nanova anarako ho Malala
Nefa vetivety teo, nahilikao anjorom-bala,
Indray andro any ianao ry foko,hadio ka sitrana ny fery
F' ilay hanitra mpamitaka,mbola simba sy ho very
Moana eo izy ka ho gina,tsisy vava hitenenana
Rakotry ny faharatsiana,difitry ny fanenenana
Fa ianao ahazo laka,
Mijoroa,andao hitraka...
--------
Rohy:
335 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 17/11/2023 12:32
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0948