HIVERINA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady akia malala a ! tena miala tsiny indrindra
Ny fafy izay natsatokao,aleo ezahako hafindra
Hataoko an-taninolon-kafa,fa any ilay mpikarakara
Izay mpikolo fambolenako,sady hinoako hoe anjara
Ka tsofy rano aho fa hiverina !

Soa ihany isika roa fa, mbola teny antsasa-dalana
Soa ihany ihany koa fa,’lay fafinao nahalankalana
Ka dia tsy nanano-sarotra ny nanongotra fitia
Tsy latsak’anaty ireny,fa tam-piatsarambelatsihy
Ka tsofy rano aho fa hiverina !

Efa manan’olon-tiana, ilay notiavinao androany
Efa latsa-paka mihitsy, saingy ianao tsy nahavinany
Tsy namisavisa akory, niara-dia homban-tsakambina
Ny fon’ity adalanao, efa manana mpimbanjina
Ka tsofy rano izy hiverina !

Tsy hanenina aho hoy izy,
Fa ny antsika roa tsy anjara
Ary tsy mba kivikivy
Fa mbola betsaka ny tsara
Izay ho solonao rahampitso….
--------
Rohy:
222 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 18/12/2023 08:24
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149