INDRAY ANDRO ANY (DADAFARAtolotra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro ianao hiantsampy,ao anivon-tratrako aoKa hibitsik’ireo teny ; sy hanatoa ‘zay tsy natao
Dia hioty fahasambarana ; mbola tsy naleha mihitsy
Ary handraraka fitiavana ; tsy mba misy hoe mitsitsy
Indray andro any ianao ho silako,ka banga raha tsy miaraka amiko
Ho ahy mandrakizay mihitsy,tsy sanatriavina hindramiko
Fa ianao sy ilay fitiavana,naniry teny an-jaridaina
Tena mila anao ny fo ;k’izay no hezahana dradraina
Andao ianao ataoko namana
Atao mpizara fihadanana
Andao ataoko andefimandry
Ka mba ho toky sy ho andry
Rehefa isika mbola misy !
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
DADAFARAtolotra
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 25/10/2023 12:23