INY TSIKITSIKIKO INY (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny tsikitsikiko iny, tsy hoe tsikim-pifalina
Fa tsiky fanaroman-dratra,izay mikiky an'aho mangina
Tena tsikim-paharesena, tsy mihebo ho mahery
Tsy mba tsikim-panafody,fa olatra manakom-pery

Iny tsikitsikiko iny, dia tsiky dobon'ny tomany
Tsiky marim-pijalina,izay hiainako eto an-tany
Fihomezana tsy sazoka, himolotry ny alahelo
Izay mamoha ny faharatsina,manafina tsy ambaratelo

Ka raha hitanao mitsiky,aza heverinao fa sambatra
Dia raha manan'olotina aho,tsofy rano izahay hitambatra
Ka mba hiaina anaty tsiky, mariky ny fihadanana
Fitsikina tena izy ,amin'ny zotram-pandehanana
--------
Rohy:
286 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 29/12/2023 06:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144