MALAHELO ANAO (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te-hanantona anao any,
Te-hizara teny mamy
dia hanovo fahasambarana
Isaky ny varavarana
Izay sokafanao hidirako !

Fafao ny ranomaso an-tavako
Asio sakafo anaty vavako
Fa mbola noana fifaliana
Satria halavitr'olon-tina
Ka dia malahelo anao !

Avia hiondana ny tratrako
Avia hanitrana ny ratrako
Avia fa miandry anao ny saina
Ho atao mpikolo zaridaina
Hampiriharia antsika !

Rehefa foana ny elanelana
Ny fafintsika roa hamelana
Handrobona tsy mety lany
Mahenika ny vazan-tany
F'isika roa mpifakatia !
--------
Rohy:
217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 07/02/2024 06:09
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725