Malala ô (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra hitanao ny tanako,
Maniriniry hisakambina.
Raha toa ka tsinjona ny masoko,
Mandefa taratra hibanjina.

Dia ny fonao no masoandro,
Fahazavana sy ho jiro.
Dia raha sitrakao ny sitrako,
Eo ny soroko fikiro,
Fa mamy loatra raha ianao.
--------
Rohy:
116 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 24/02/2026 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0131