MIFONA LAINGA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takariva maizim-bolana,no sendra tompi-masontsika
Ranonjavona fanala,tsy nahatsapa nangatsiaka
Voalaza tao fa tsisy ny olana,raha isika hiara-droa
Samy vonona ahanandratra,ka hanorina tamboho

Vitsy monja tany afara,tafaray fandrina isika
Saika higoka fahasambarana,t'anaty haizi-manjopika
Tsy nanaiky anefa ianao,fa rano mbola tsy nikobana
Tany mbola rakotr'ala,ka hoe tsy azoko lalovana

Nambaranao tao ihany koa "fa lela mamy ihany ireny
Mbola tsy azoko hianteherana,sady tsy matoky teny"
Indro kely aty anatiko,fanahina izay tsy tsapany
Tena tiny ve ny tenako,fa tsy tolorany ahy ny vatany

Fitaka aby no nararany,nanapenany ny vavako
Rehefa tafa vady 'zay,zay vao hendratra ny tavako
Ny mariazy sy ny soratra,lokalokanay fahiny
Efa toa sy lavorary,izy kay tsy virijiny

Ilay rano tsy nikobana no sady mbola rakotr'ala
Fitaka avokoa ireny,f'izaho no tia ka tsy nisala
Inona ary no ataoko sady mba havaliko azy
Fisarahana avy hatrany ,sa ataoko vazivazy
Mampirafy mamolava,hatram'fotsy varavarana
Izay rehetra izay ataoko,tena ataoko lo-laharana
--------
Rohy:
221 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 21/12/2023 08:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179