VINA TSISY FARANY (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha namboraka fitiavana aho,tsy nidongy homena valiny
Raha misantatra ny dobo aho,tsy nijery izay ahalaliny
Fa ny masaka ato antsaiko,no indro averiko lazaina
N'iza n'iza manabedy,Ianao hataoko zaridaina

Andeha andrasiko ny lahatra,sao mba tafaray isika
Andeha takariko ny kintana,s'irony volana baliaka
Ka ataoko fanomezana,hatsiarovako ny anarany
Ary asiko famantarana "IO ILAY VINA TSISY FARANY"

Sakodiavatra ny lela,mibaradaka ny vava
Ontsa ontsa ny fanahy,saronkenatra ny tava
Ny saina mantsy dia mahafatatra,fa tsy ho vita velively
Ny hiray aram-pitiavana,isika samy tsy irery

Noho izany ry malala,izay safidiko vaovao
Alatralatra madinika,no mba azontsika atao
Tsy azontsika higalabonana,fa miserana ihany
Fanalana izay mafaitra,sy figoafana ny mamy
Aleo apetrako ny peniko,izao no hafatra lazaiko
Tsy hanadino anao ny foko,raha tsy tapitra ny aiko...
--------
Rohy:
287 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 23/11/2023 12:06
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151