VOADY ADALA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroko isika roa, ilay nilokaloka ho fatorana mitovy toy ny vary iray sindrika
Dia nieboebo fatratra fa ho avo noho ankaratra, ary mihotra noho Andringitra
Hay kay isika roa ireto toa toankasina amparihy, tsy mahazaka hitsam-pody
Ka vao nolalovan-drahona miampy orana sy avandra, dia maty tsisy fanafody

Any izay ianao an-tratrany, izaho kosa manonofy ny fiainan-tsika roa taloha
Ilay noheverina hamokatra , ka mba nokoloiko fatratra afaka hiotazam-boa
Indrisy indrisy foana atreto, injao manaingo ny fiteny izay mivoaka anaty vava
Takizay raha mba ianao no niaina niaraka amiko ,dia mirana va re ny tava ?

Isika teo an-jaridaina, ilay nandaraka fitiavana mba hampavokatra ny tany
Tsy nampoiziko daholo, izaho nambosan-kitsom-po fa ny anao kay lela mamy
Fitaka avy ireo rehetra izay navokanao t'amolotra tamin'ny andro sasakalina
Fa izaho no diso babo ka dia voavakinao daholo ireo taratasy tsara valona

Eto an-davarangako eto, misoko miadana ato anaty ireto embo-maro loko
''hoe mpandainga sy mpamitaka ilay malalako fahiny nanolorako ny foko''
Iny sasakalina iny, nanjary zaza no tezaina natao solofo dimbinala
Navelanao hiady irery ilay malalanao fahiny, f'ianao nadeha nifindra vala

Mitomany aho androany, fa rahapitso dia rahapitso angamba hika fahasambarana
Ho tonga taiza ny ankohonako ka ho fifaliana foana no hitako ato am-baravarana
Fa ianao nandoro antsika ho levona lasa lavenona
Angamba kosa ianao hanenina,
Ka amin'izay fotoana izay
Dia ahatsiaro anay indray
Saingy izahay tsy anao intsony ...
--------
Rohy:
258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 03/06/2025 11:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.018