VOAFITAKAO (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza zao no misy tany lonaka azoko volena?
Aiza zao no misy fo tena manam-pahendrena?
Satria kay raozy misy tsilo ilay fiotiko fahiny
Adala mihitsy ianao ry foko, nifidy an'iny lalana iny
Ka dia mahazo mitomany!

Sa ve jamba rehefa tia dia tsy afaka naminavina
Sa ve sambany nitia dia nizotra toerana mangina
Tsy mba nanan-tsalasala fa dia nambosaka ny hananana
Vetivety teo kanefa, rava indray ny fiadanana
Saika hisambaranao!

Andeha teneniko ny foko, mionĂ²na hono aloha
Fa raha anjara ny anareo, indray andro any mbola hifoha
Ka ny fitiavana rehetra, tsy misy tambiny natolotra
Mody lazao aminy any : "ireny hatreo an-tendro molotra"
Eny na ts'izany akory!
--------
Rohy:
233 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 14/12/2023 06:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142