hitako izy omaly (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eny hitako izy omaly
toa verivery saina,
tsy niarahaba tsy namaly
fiarabana vao maraina

hitako izy toa malaina
tsy tongatonga amboroa
tsy dia manana ho lazaina,
toa mararirary andoha,

ka raha vao irery dia indro
fa mitanondrika mamindro
malahelo ilay malalany
efa lasana tsy tazany

nitomany izy
fa tsy teliny
nitomany izy
fa tsy rariny
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
1099 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148