You are here: home > Vetso

ILAY POETY NANADINO - dadatsima

Azo vakiana?

Tena tsy nampino
ilay poety nanadino,
aiza re ka dia tsy heno
ilay feo nanenoneno
niventy ilay vetso
tsy haiko intsony na maneso,

asa,
mety nisy kosa angamba
mbola tena mihambahamba,
tsy manome ny tena izy
mamilivily  toa ankizy,
tsy nahafahany  nitroatra,
ka voatery izy hangina,
tsy mba afaka namboatra,
ilay loko manga novidiana.

mety lany kosa angamba
ny inspiraka tao aminy,
andromainty vangavanga
tsy nahitany tsiro maminy
ka niandry izy fa tsy tonga
dila ihany  inty  ilay ora
any  ka adino tany.
ilay hafatra ho  ANY

Inty  adim-piainana tandremo
fa manimba antsika tsy hitadidy
ireo adidy sy andraikitra
sy ny zava saro-bidy

dadatsimaandroany 24.02.2014