omeo ranomaso (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gina aho tsy nahateny
raha sendra ka naheno
f'efa dila , efa tsy eny,
ka ny foko no feno;

te hi kiaka aho
te ho tezitra
nitamberina ao
ireo lasanay rehetra...

farany, nitanondrika,
tsy niteny fa nandinika,
novonoiko ny fiantsoana
tsy hikiririoka fa ho moana....

Tsy nahatomany aho,
fa nangina zary sina ny ankaso
tsy nahalala ny atao,
tsy nisy vongandranomaso.

tompo ô ,
omeo vongandranomaso,
mba hitomaniako androany,
fa ory loatra izany foko,
nefa tsy afa-mitomany
--------
Rohy:
1236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138