Ny tsikitsikinao - Dox
Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana...
Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany...
Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana...
Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
Nikaloan'ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !
Hisy angamba amin'ireny sahy hamboraka aminao
Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !
Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
Ny fitia vokatr'iny mba ho raki-mandra-matiny,
Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !
(talohan'ny 1939)
Hevitra mandeha
zakilinina (29/11/2004 22:21:25)
Izany ka tononkalon'ny Ngezalahy !
Maromaroa ny toy izao eto amin'ny serasera. Gadona, rima ary firafitra amin'ny akapobeny dia sarotra kianina. Ny sarin-teny dia manginy fotsiny. Voavoakan'ny poeta an-tsary ny zava-ponosin'ny fitia izay lalim-paka. Amporisihina isika taranaka ankehitriny mba hamorona tononkalo toy izao. Mahereza tompoko.
gasyjean (01/12/2005 18:10:42)
Ny mpanoratra malagasy tahakan' i Dox dia tena tokony ho fitaratra ho antsika izay te hanana talenta amin'ny asa-soratra(tononkalo).
dano (27/04/2013 15:39:06)
tsara b le izy miala satroka eo anatrean'ity zoky be ty za
stonn (06/05/2014 09:22:02)
bolramina (16/05/2015 14:20:28)
JHONNYnathan (06/11/2015 09:38:31)
noely kely (12/02/2016 13:39:13)
tomboka (22/12/2017 04:56:12)
rfanomezantoky (24/09/2019 13:03:03)
Manaraka ngadona hatramin'ny loha rehefa mamaky azy.
Lafatra loatra
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Dox

Nampiditra : hery
Daty : 03/10/2003
Mpamangy : 50399
Mankafy : 41
Tononkalo hafa
Andriambavin'ny fitiaEndrika
NANKAIZA?
Izy mirahavavy
Fa fitiavako hianao
Rivotra aza aho...
Ao....
Misy
Teo amin'ny valsa
ASA IZANY...