Fitia Manalasala (Ny Avo Elabakaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia hanidina aho fa tsy afaka
Tia hikopaka fa tapaka
Tia hiantoraka avy hatrany
Saingy tsy afaka ny ho any.



Tia hijery aho, saingy kosa
Tsy mahatanty fosafosa
Ny ho ataonao resaka
Ka aleoko aloha mipetraka.



Tia hiantso aho hoe malala
Ndrao anefa lazainao ho adala
Ka aleoko aloha mijanona
Sady izaho tsy tia sangodim-panina.



Tia hitia aho saingy izao
Tsy mbola zakakao ny ao
Tsy mbola ampy famatorana
Fa dia zaza mora torana.
--------
Rohy:
1498 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Elabakaka
Nampiditra : henuka
Daty : 18/10/2016 09:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148