Mendrika (Ny Avo Elabakaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MENDRIKA

Taranja tsy hanadinana kanefa hay tsianjery
Lesona ambokambony fa mandrakotra ny saiko
Tsy ilaina famerenana, fa vao indray mijery
Dia mahafeno zato pejy raha toa ho tantaraiko.

Antsefantsefany eny ny tsikinao mambabo,
Ny Masonao mitopy voabanjiko indraindray
Ny foko koa angamba no Tena mora lavo e,
Lasa tia mitia ny manatompo indray.

Rahampitso hiangaviko, ity foko adaladala
Bedeso tsy hisaina an'izao tantara izao
Na dia haiko ho nofy aza, fa nodia-tsy te hahalala
Ary raha ny sitrako dia ny sarindry mihitsy no Laza adiko ao.

Saingy, Taranja tsy hanadinana ho'aho, kanefa hay tsianjery
Ny mombanao rehetra r'ikala tokana iny,
Tsy ilaina fanampiana fa aleo ho ataoko irery,
Ny ho tiavinao raha toa tsy misy tsiny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
368 1
Mpakafy: henuka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0704