Poeta lalin-tsaina (Ny Avo Elabakaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy ny ady teto, nohetim-po nafana
nisy ny opa teto, ningain'ny adalana
Fa mbola voakosoky ny tsikitsiky teny,
nandalo teo daholo, izay sahy niteny
ny hetahetam-pony
Nisy ny nilaza fa i Madagasikara tsy mila foza intsony
Tsy mila velirano, tsy mila mpanonofy
etsetra dia etsetra,....
fa rehefa ny rehetra,
no niaranisafidy, nitondra am-bavaka izy.

Fa ny indro kely tato, naha ontsa ny fanahy
Dia nisy ny olo-kendry, niseho ho tena sahy
Tsy nihaotra niteny
nanozana, an-tsoratra ity mba fireneny
ka hampatory ny aina,
Poeta lalin-tsaina.
--------
Rohy:
1005 2
Mpakafy: henuka - cedarf
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Elabakaka
Nampiditra : henuka
Daty : 30/01/2019 18:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147