Tanora aho (Ny Avo Elabakaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endriko sariaka fa tonga maintso volo
Ny saiko falifaly, ny foko torotoro
Ny fiainako rehetra tsy nijereko izany hanitra
Ny foko sy ny saiko dia nentiko finaritra.



Ny masoko mitazana izao tontolo izao
Variana nisondriana, fa tsy tia handao
Ny saiko izay nandinika variana teo ho eo
Voafitaky ny lainga fa tsara hono ireo.



Tsy nojereko akory izany fahanterana
Fa variana naka mamy tanaty ny toerana
Ny fahatanorana anie ka indramina any ambony
Ka raha tonga ny fotoana tsy maintsy ho antsoiny.



Ô! Ry foko izay mitia
Izay hitanao toa tsara hatrany
Nefa kosa mandiniha
Itony zavatry ny tany.
--------
Rohy:
2552 1
Mpakafy: henuka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141