Misaotra (Ny Avo Elabakaka)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra akia malala a!
misaotra anao indrindra,
nanaiky hampahalala,
ny fingotra hampandringa,
anatin'ny fitiavana,....

Misaotra koa malala a!,
afaka nanoratra, singana tantara,
anaty diarim-poko,
misaotra nampahalala fa mira ho toloko,
raha sendra tsy voakajy,
ny miaina sy mitia,
Ka misaotra e, misaotra mihitsy andry....

dia... ndehana tsy maninona,
hiezaka aho hahazaka na......., hisento tsy maninona.

kanefa, any volana, any koa ny taona
raha sendra indry mahatsiaro,
miviliana, raha sendra ka mamdalo,
f'eto ny adiresiko, tsy miova, eto foana,
ny velomantsika koa, nasiana ho mandrampihaona,

....Malala ooo! ho tiaviko mangiana indry,
dia 'ndehana soavadia.

Ny Avo Elabakaka
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
877 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Elabakaka
Nampiditra : henuka
Daty : 13/03/2019 11:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143