You are here: home > Vetso

Azafady indrindra - Ny Avo Elabakaka

Azo vakiana?



Raha toa tsy maintsy ho izao
ny ho lalana hizoran'ny fiainako sy ianao
dia... azafady indrindra,
eny an-dalana eny, mety aho tsy afaka hamindra
mahita anao mandalo,
mety io vavako io ho enonao mikalo
ny anaranao matetika.
Mety io masoko ioo mbola te-handetika
fitiavana tsy potiky ny ora sy fotoana
mety koa ny aliko , hanofy anao foana.

Dia averiko eto ihany hoe : azafady indrindra
manko, tsy mety ho voarindra
ny fihetsiky ny tia, rehefa hoe nolavina,
tsy mety mahay mangiana, fa vao maika te-ho tiavina
maika te-hibanjina ny hatsaranao rehetra,
maika te-hametra sy hanangana lalàna hoe:
"Ny tia tsy maintsy tiana "!
Ialako tsiny indrindra.

.... dia raha mivolom-panembonana ny habakao mazana
izaho no miantso anao fa miviliana,
miviliana na tsy hamangy, fa fotsiny vimbino,
izay boky fantatrao fa mampianatra hanadino.

        

(Antsampanimahazo, 27 Jolay 2019 )

Hametraka hevitra

Midira aloha