Manaiky aho f'efa resy e (Ny Avo Elabakaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manaiky aho f'efa resy eResin'ny hatsarana
sy ny bikanao maharenoka
ny fo am-panahy.
Ekeko ianao mpandresy e !
Mpandresin'ny hatsarana
ka mambabo ny ato am-poko
sy maharenoka fanahy.
Fa tsy misy toa anao raha mbola eto an-tany e !
Izay any an-danitra any,
asssa, tsy haiko izay anjely,
f'ianao aloha hatreto
no mbola anjelikeliko,
r'ikala manjakely.
Ny Avo Elabakaka
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
manantenafafa10 - henuka