Lasa tia (Ny Avo Elabakaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisosa teo ny volana, dia nihodina ny taona,
Izaho sy ianao tsy niova, fa mpinamana eny foana
tsimbotry niaradia, ary mbola lavorary
hatramin'izao isika tsy nisy nifanary,
fa tato ho ato izay, tsy haiko hoe nahoana,
f'isika nihatanora, dia nisy koa nivoana,
ny tato am-poko tato,
ilay fotsifotsikely nanaingo ny fontsika, no lasa nisy tasy
mena midorehatra,
kanefa tsy hanaratsy a,
fa fotsiny hampiova ny fifandraisantsika,
hifamatotra kokoa,
nanery ny atifoko,
hijery ny foanao,
ka mialatsiny akia, a, fa lasa tiako ianao.
--------
Rohy:
1821 2
Mpakafy: henuka - cedarf
Hevitra mandeha
cedarf ( 18/04/2019 08:09)
tena tsara.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177