ENY AMBANIVOHITRA ENY ! (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY AMBANIVOHITRA ENY


Vao nangiran-dratsy ny andro tamin'izay
Dia zava-maro no niseho teny Ambanivohitray
Gaga aho raha nandre feo maro nikotaba
Nanako hatrany lavitra any,hay izy ireo nifampiharahaba


Tsy naharitra aho ka niakanjo dia nitsangana
Niroso moramora hamonjy varavaran-kely
Ny eritreritro mitondra ahy ho eo an-davarangana
Vahotra aho anefa ka tsy sahy ny hivoaka velively


Ny tena moa tsy tompon-tany fa vahiny
Maro ireo zava-tsy fanao ka tsy azo omena tsiny
Tsy mifoha raha tsy eo ingahibe masoandro
Nefa ireo mponina ao dia milaza zany f'efa atoandro



Vao mitopy zany maso hijery ny manodidina
Maintso mavana aok'izany hatreny an-tampon'ny tanety
Toa voaly fotsy midadasika ny ranobe mitsotsorika midina
Reo lala-masaka rehetra toa bibilava maro sy vaventy



Avy ery an-tendrombohitra sa avy aiza lahy
Nobanjiniko ny ravin-kazo toa mandihy sady mihira ho'ahy
Nolalovan'ilay rivotra malefadefaka fitsoaka
Mamelombelon'aina ka satry ihany hifoaka


Ny trano bongo maromaro mitsitokotoko
Feno hafaliana lavitra toloko
Ny donak'afo miakatra manakatra ny lanitra
Dia mahalasa ny vinany sy embona ireo antitra


Zany fofona mamerovero manerana ny saha
Mihoatra lavitra nohon'ny ranomanitram-bazaha
Tiana foana ny hanimbolo lay edena faharoa
Eny Ambanivohitra eny no tena mamiko tokoa


(eny Ambanivohitra eny!mmmhhh)
--------
Rohy:
Sokajy : embona
2258 1
Mpakafy: Smbatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148