FANIRIKO (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANIRIKO

Tiko sady faniriako ny hiaona aminao
Na ho anio na ampitso ao aorina kely ao
Ny anarana ny fonenanao mbola ho fantatro daholo
Amin'izay ora izay omeko anao ny foko manontolo


Efa tiako ianao hatramin'ny ela be
Na tsy nifankalala aza isika teny an-dalam-be
Angamba ianao lay nankahala ahy omaly
Na ilay niatsoako vonjy nefa tsy namaly


Tiako ianao mihoatra ireo tiako
Satria ianao no efa faniriako
Na ho akaiky ny fonenanao na any lavitra any
Izay misy anao dia horaisiko ho akany


Angamba ianao mpiasa tany mpaboatra vilany
Angamba ianao Animatera na koa pasitera
Angamba ianao mpitsara mpitsabo mpampianatra
Izay asanao dia deraiko ho filamatra


Toa hitako sahady ilay endrikao sariaka
Reo maso baribary toa volana balika
Ny fihetsikao firesakao entanim-pifaliana
Dia hambabo zany foko efa lasanao ry tiana


Lalan-davitra mideza no mbola hizoran-tsika
Hisedra ny hafanana tafio-drivotra hatsika
Toy ny sambo-kely atopatopan'onja
Ho tafita soamatsara satria ho mafy sy mafonja




Hoan'ilay prince mysterieux!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2244 2
Mpakafy: Vitsikakely - Smbatra
Hevitra mandeha
RATOVOARY ( 27/05/2008 05:21)
Ka iza hono ity prince nofinofisinao ity?
Tsara be le izy ohatry ny hoe mamolivoly be zany
endrika01 ( 01/06/2008 14:11)
salut a,lay prince mbola mysterieux anie e,kah tsy mbola afaka mamaly zah
we iza le izy!

fa refa mifanena zahay de omeko an'azy io tononkalo
kely ko io ,hi hi hi,asa raha mbĂ´ ho tiany!
voniala ( 12/06/2008 13:31)
hay ve mahay be otrizao njy e!zah ve io teneninjy io?tsy mahay manoratra otran'io zah
endrika01 ( 15/06/2008 16:03)
hey,f'angah lehilahy ndray i Voniala e,ozizy enao we vehivavy enao,io anie hoan'ny prince-ko e,mbola tsy haiko we iza lay izy!
Voniala aiza koa e,eo fa hanoratra hafa njay zah ary e!refa malalaka.
jobagasy ( 30/06/2008 12:10)
Tsara be ilay tononkalo, mino aho fa tena hotian' ilay prince anjy io
endrika01 ( 02/07/2008 12:12)
jobagasy>mcei a,enga anie ,raha
tia tononkalo izy
de mety ho hampiany kely njay!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148