You are here: home > Vetso

FITIA TE HANAN-DROA - endrika01

Azo vakiana?

  Toy ny voninkazo tsara bika
'zato  endrikao sariaka
  'zay nanitona ahy avy hatrany
  ka indro aho tonga mba  hanotany!

  Zato fihetsikao milanto,firesakao malemy
  toy ny  an'zazakely vao  mianatra miteny
ka moa tsy ontsaontsa ireo fo  mandre izany
kanefa  ity fisainana mirefarefa aminy tany


Iza moa izato anaranao Andriamatoa?
  fa toa  mahavariana sy  maha-zendana tokoa
ny fahasahiana anananao fa tena mafy loha
sa mahery  vaika ilay  fitia te hanan-droa?


  Tiako ho  tsapanao ny ratra anatiko ao
ô ry  voninkazo tsy fanao am-bazy
ka valio 'raha sitrakao zao faniriako 'zao
ny hampakarako anao ho vady mariazy



Vao tsy ampy ora iray ny nahitako ny endrikao
dia kabary  lava reny no indro alahatrao
  na ny momba anao tsisy fantatro daholo
ka mandehana  ianao misidina any ry 'lay lolo


Zay ve no mba valin-teninao tamin'iny
toy raho-mitatao mana-maizina ny tany
soa  ihany lahy fa  mbola ao 'lay tokako iny
ka veloma ianao,mbola hiaona am-parany any !





Ny  faran-teninao tsy hapaninona ahy akory
Tsy fantatrao angaha ,ny tany anie ka  boribory
jamban'ny fitia te hanan-droa
tsy ho ela  akory ianao dia ho votsi-droa.


           soa ny manan-droa fa tandremo, sao votsi-droa!






  

Hevitra mandeha

voniala (03/03/2008 09:16:25)

io zao ianao fa nofatoran'ny RIMA Kanefa tokony ho tsara lay poeme

endrika01 (06/03/2008 11:59:24)

marina izany,io anié lay noresahko an'i voniala é,misy mahahirana kely ahy.

endrika01 (06/03/2008 12:00:49)

vao tsy mbola manana talenta fa lay vao mianatra nmandeha,mia mpitantana é,zarako aza ianao manampy.

achrafhanna (24/03/2008 12:08:39)

efa mety ka,asio ezaka ihany anefa

endrika01 (31/08/2008 09:44:27)

voniala>efa nahitsiko.

ANJARA7 (08/07/2009 13:21:22)

aza de mamely mafy ny manan droa aky a!tsra be ny ventsondry!

endrika01 (12/07/2009 07:53:12)

ha ha ha ha,tena am fonjy ve zany? ;-)

hi hi hi,ka te hampirafy eo izy kou,

dia aleo omena ,zay mba tiany ho heno e :D