HERISETRA (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HERISETRA

Hatraiza re ny fetra ny herisetra maro
Tsy hay ho tohaina reo loza mifangaro
Dradraina lalandava amini-onjam-peo sy gazety
Aseho fahita lavitra hoan'ny kely sy vaventy



Zaza tsy ampy taona haolana vitaina
Niaritra ny mafy satria nambakaina
Tsy nosainina akory lay hirifiry mafy
Ny baviny ihany no hijinja zay hafafy



Tokan-trano maro norobaina sy vakiana
Ranomaso latsaka mangidy sy mafaika
Toy ny tany lany rano,maina sy makiana
Taorian'ny fandrobana sengotra iray nipaika



Hotazany ny voly tsy matoy eny an-tsaha
Darofany vonoiny ny mpiambina ny saha
Mangorohoro ny mponina an-tanana
Mivarahotsana ny maro toa mihanahana



Fiara,firavaka trano vola aman-karena
Fisolokiana haro-paosy sy ny maro sesehena
Lahasan'ny jiolahy mba te ho ra-panana
Ny sahaza azy ireny dia ny vary AMIN'ANANA



Ny zandary sy polisy miasa tsy matory
Mba hanatratra ny olon-dratsy mampahory
Sahin'izy iereny ny misandoka ho polisy
Ireo zay lalovany manantena ny tsy misy



Tena mahaotsa ny mijery ireo voaroba
Nifofotra niezaka toy ireo mpitoto koba
Kanefa dia nanjavona lay valin-kasasarana
Nandaniana ny fotoana tsy mba nisy fitsaharana



Ireo jiolahy kosa faly sy mitavana
Fa ho mpanefoefo oadray re rahavana
Faly ery mihinana ny alahelony hafa
Toy ny reniakoho manitsaka sahafa



Hambanany poleta antsy sy ny basy
Mpamono mahafaty mpitsetsitra parasy
Toetra tsy mamely fa tena manalika
Hatraiza re no fetra fa tena tsisy fika


Ry ray aman-dreny sy ny mpanabe
Toroy ny lala-marina ireo saram-babe
Hahaizany manavaka ireo naman-dratsy
Mitapify mitady vahana tsy mba manam-batsy



Ialao ny hakamoana raha te hifaninana
Mba hanananao ny feno eo an-tanana
Miasà mafy ,hapotrahy ny hatsembohana
Ka ho lasa fifaliana ianao voatohana


Hatraiza no fetra ny herisetra sesilany
Zay miteraka korotana fahantrana eto an-tany
Fialonana,fitsiriritana mba te ho ambony
No mampasiso ny fisainana baikony hambo-pony


HERISETRA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1606 4
Hevitra mandeha
achrafhanna ( 20/07/2008 09:08)
ay ve ndry retsy,be hambom-po toy io.asio hafa a,ataovy fohifohy.
endrika01 ( 17/08/2008 15:53)
hambo-po ve sa haingam-panahy e!
somary masika kely
ve?
ANJARA7 ( 09/08/2009 10:44)
hanaro ho tonga saina ireo te hananana nefa malaina ,tsara be ilay anatrao endrika a!
endrika01 ( 10/08/2009 03:39)
ANJARA7>Eo amin ny fiaraha-monina,ny fifaninanana no maharoboka ny maro,azo sokajiana maro ny toen-tsaina,enti-mifaninana,fa ny tena tsy zaka,dia ireo tsy manan-tsaina afa-tsy ny handroba ny eto an-tanany hafa,amin ny alalany HERISETRA.
endrika01 ( 10/08/2009 03:44)
Lay teny voalaza etsy ambony hoe VARY AMIN ANANA dia tsy ilay vary sosoa ampifangaroana anana akory,no tiakam-bara fa ny FONJA na FIGADRANA.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132