INDRISY MANTSY (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY MANTSY

Asa ianao raha efa namoy
Zandry tiana toa ahy
Ny fiarahana tsy foy
Ny resakay hitohy am-panahy


Mpiraitampo nifankatia
Zay nosarahin'ny fiainana
Piady lava zay satria
Tsy nitovy ny fisainana


Ny fotoana izay nialako
Mba hoaty am-pitan-dranomasina
Nampisento ary halako
Hitoetra ho tantara masina


Naverimberinay ny hoe aza manadino
Fa izy any Dago hiandry foana
Horoy izy ary koa fihino
Hoy ireoi mpanatitra niteniteny foana


Iny maraina iny teny IVATO
no nihaonanay farany
nifanantena hifankahita ato ho ato
Indrisy anefa fa voalohany io no farany


Indrisy mantsy
--------
Rohy:
1421 1
Mpakafy: Smbatra
Hevitra mandeha
tiff ( 21/07/2008 13:32)
tsy mbola namoy iratam po to anao aho fa tena mampalahelo izany tantarainao izany
ary hainao ny nampirindra an lay tantara
endrika01 ( 27/07/2008 09:52)
tiff>mcei ankia,mahazo
hery avy aminjy!:-*
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156