NY DIAM-PENIKO (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY DIAM-PENIKO


Ny tanako tsy vizana
Ny penina tsy ritra
Manoratra mazana
Isan'ora isa-minitra


Mitantara ny fiainako
Sy ny manodidina ahy
Io no hany itarainako
Raha misy mampanahy


Voantantarany ao daholo
Ny lasa sy ny tsiahy
Hatramin'ny efa bobongolo
Nampangoly ny fanahy


Ny diam-penina hitoetra
hirakitra ny lasana
Hoan'ny velona rehetra
Na ny efa any am-pasana


Tsy kisendrasendra akory
No nandraisako ny peniko
Manampy hanala sorisory
Tiako loatra ka tsy afeniko

ilay diam-peniko......
--------
Rohy:
2840 3
Hevitra mandeha
benasy ( 15/06/2009 10:47)
Soraty ihany
Hatrany hatrany,
Ny hafatra nomena antsika
Aza misy ovàna dika.
.......
hery ( 15/06/2009 10:50)
Nifoha ny fota-mandry? :-)
maeva74 ( 15/06/2009 11:10)
Ny foko koa tsy vizana miandry ilay fitiavanao
milaibe ( 15/06/2009 12:51)
tsy sasa-miandry fotsiny akory fa feno fiatiavana mitafotafo ho zaraiko ho anao ny foko
maeva74 ( 16/06/2009 05:23)
Tsy kisendrasendra akory no nifanenako taminao
Vonona aho ny hiandry ilay fo atolotrao
endrika01 ( 16/06/2009 07:17)
mhhhh!
endrika01 ( 21/06/2009 09:00)
benasy> Marina izany!




Hery> marina io,de miverina ndray lay we :
"Mbola tadidinao ve?raha mifanena indray sika roa!
"Mbola tsaroanao tsara ve ?ilay nanoroka anao zah talou!
"Mbola ao aminao ao ve?lay teny iray ,nandratra fo....!

hi hi hi,le fota-mandry io zay an!


Maeva74> ka efa natolony anie lay fo ,fa injy no sadaikatra é!


Milaibe> Tanjemo ary so de tsisy hoany hafa tsony le fo
fa tapitra zarazaraina an!

oliviah ( 27/06/2009 09:43)
hotantarainao eo daholo ve ny hatraminy secret
endrika01 ( 28/06/2009 09:43)
NY zava-miafiny tontolo kosa é,
fa tsy ny sékiré-ko rehetra akory!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113