NY MASONAO MIJERY (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masonao mijery
Toa manao fangalam-piery
Raha jerena manoloana
Vatosoa babangoana!


Ny masonao mijery
No hanome ahy ny hery
Izay mitondra fifaliana
Sy bitsika mangina


Ny masonao mijery
No hanasitrana ireo fery
Izay nohentiko hatrin'ny ela
Ka tsy sahiko navela


Ny masonao mijery
Hanampy ahy tsy ho very
Amin'ny lalana hodiavina
Sy ireo loza mahatsiravina


Ny masonao mijery
Tsy hamela ahy ho irery
Toy ny andon'ny maraina
Manoloana ny adin-tsaina


Ny masonao mijery
miampy ireo feon-jorery
Toy ny taratra hazavana
'Zay tsy nananako mazana


Ny masonao mijery
tsy mikipy na voatery
Fa malalaka tokoa
Mitondra ho'ahy ny soa


Ny masonao mijery
Moa ho'ahy samirery?
Ireo no manome ny toky
Fa tsy toa ireo boloky


Ny masonao mijery...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1503 1
Mpakafy: Vitsikakely
Hevitra mandeha
Smbatra ( 29/06/2008 14:39)
mmmhhh,tsara be endrika 01 a.
endrika01 ( 06/07/2008 14:30)
misaotra ,ankia a hay ve ndry tonga hatraty koa e!
tiff ( 21/07/2008 14:14)
zany ka ainga panahy
endrika01 ( 13/04/2009 12:38)
njy kou kia,njy no tena manana haingam-panahy be
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159