Ny RAY (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ray no fototra ijoroana
Mba tsy ho olonolom-poana
Andry lehibe iakinana
Amin'ireo zava-manahirana


Vao tsy mbola hary ianao
Dia zava-maro ny nifamaofao
Ho vavy ve sa ho lahy
Izany dia natao hampanahy


Nomeny anao ny famatarana
Dia ilay sombin'anarana
Manambara ny fisiany
Sy hiantsoana ny olon-tiany


Faly ery izy toran'ny hehy
Fa hoe ianao dia vaky hehy
Dibok'afaliana zany fony
Ka satriny foana ianao ho trotrony


Fony ianao vao nianatra niteny
Tiany ny handre ombieny ombieny
'Zany feonao mibadabada
Manambatra lay teny hoe DA-DA


Ka rehefa mba lehibe-be
Izany hoe efa mianatra mande
Hainy ny miambina sy mijery
Mandany andro aminy fangala-pery


Rehefa vizana tontolo ny andro
Efa dify koa ilay masoandro
Hoetiny atsangory hoany an-trano
Maika ery hilazany angano


Rehefa izy tsy miasa
Dia tantarainy anao ireo lasa
Manongilan-tsofina sy liana
Mahazo toky ery sy variana


Raha vao lasa mivoaka izy
Io ianao fa mamory ny ankizy
Andao mhoe andramana zay nolazainy
ka raha vita tsara dia hoderainy


Tsy hampianatra anao ireo ratsy
Fa hanampy anao tsy ho lany vatsy
Ilay Ray be fitia sy masiaka
Ka ny tsara zay lazaina arahitsika


Ny endrika masiaka ny feo mitraina
Tsy hahatonga anao ho tapitr'aina
Nataony reny ary fantany fa sahaza
Mba ahatonga anao mendrika,halaza


Ny ririnina maman'ala mangirifiry
Ny zavatra ilaina d'efa voatahiry
Na fahavaratra sarotra manorana
Dia hitan'ilay ray ireo vahaolana


Tsy mitarain-tana-miepaka
Na kely ny karama na betsaka
Satria hamelomany ny ankohonany
Tena lehibe izany fahavononany


Koa hajao re ny ray
Manana fo torotoro
Fa izy dia tena iray(tokana)
Ka totosao ireo zay nator


Ny an'ny hafa tsy homeny anao
Ka vahao midanadana ny fonao
Manaraha ny anatra omeny
Mivavaha ho azy ho valim-babeny


Ny ray.......
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3140 1
Mpakafy: Vitsikakely
Hevitra mandeha
endrika01 ( 21/06/2009 09:14)
Bon fety de papa doly é! bisous!
tsy manadino am-bavaka kounkou,
hoanireo efa namoy ny Rainy,sy
hoanireo izay mikaroka mangina
ilay Ray zay nandositra adidy !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014