NY RENY ! (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RENY


Ny Reny no fitaratra
Mampiseho ny tena izy
Toy ny tondro avaratra
Ka mailak\'izaitsizy



Raha mbola tao akibo
Dia nomeny anao ny trano
Toy ny trondro anaty dibo
Tsy mataho-milomano



Nandrtitra ireo volana
Nitondrany anao am-bohoka
Tao ny tahotra ny olana
Fa hoe:sao ianao mihohoka



Vao tonga teto an-tany
Dia kika sy tomany
Izany no voaloham-peo
Mba azonao naseho



Fa ny Reny no mahalala
Izay tianao hambara
Endrey ry zanako malala
Ry dimby solo sy ho fara



Tonga soa ny fiarabany
Nahita anao nitomany
Tsisy hoatr'izany ny hafaliany
Fa hary soa ny olon-tiany



Mba ho salama sy tomady
Dia nomeny anao ny nono
Ka raha tapaka sahady
Dia nosoloiny ronono



Raha sanatria ka marary
Tsy miala izy anilanao
Mangataka amin'Ilay nahary
Mba hisinda ny aretinao



Ka rehefa tonga taona
Dia nahiditra an-tsekoly
Mba tsy hirenireny foana
Fa tiany koa hiala voly



Natsoiny ianao indray maraina
Nilazainy ireo tsiambaratelo
Satria inoany f'efa tonga taona
Mba tsy hisian'ny alahelo



Hoan'ireo zazavavy
Tsy sasatr'izy ny niangavy
Indrindra raha manavinavy
Dia notolorany tambavy



Ity mantsy nytena olana
Na dia zavatra tsy natao
Vao tsy tonga ny fadi-bolana
Dia efa hoe sao...ianao de izao



Ireo zazalahy kosa
Dia nomeny teny mafimafy
Satria ireo tsy kanosa
Ka mety mihintsy higafigafy



Adala ireo 'zay miteny
Fa manavaka ny Reny
Tsy mampitovy fa miangatra
Nefa iray ihany ireo anatra



Raha misy tsy fahampiana
Dia tsy sasatra izy ny mitady
Mba ho hitanao ny fifaliana
Lavitry ny adiady



Reo tantarany rehetra
Nambarany anao avokoa
Fitiavana tsy manam-petra
Ka tolory azy re ny soa



Tiany ianao ho tafita
nandaniany mondro kely
Ho tonga mintsy any am-pita
Tsy hangaina velively



Ka hajao re ny Reny
Meteza ianao ho anjely
Ka henoy zany teny
Fa tsy hanenenanao velively


IZA MARINA MOA NY RENY?
--------
Rohy:
5110 3
Hevitra mandeha
oliviah ( 12/04/2008 12:35)
ndry ty a,hitako
endrika01 ( 23/05/2008 10:47)
oliviah>hay ve akia njy efa tato,tsisy tsikera ve mba azonjy natsipy?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101