You are here: home > Vetso

TSY RESY AKORY RAHA MANGINA (tohiny)! - endrika01

Azo vakiana?

Tia anao izy k'aza ampijaliana
Tia anao izy k'aza ampitomaniana
Ny fitiavana tsy ho fahorina    
Ka jereo ny hiafarana aoriana


Bitsika mangina miaro fifaliana
Fa tsy hoteny mafy tena fijaliana
Fahatsora-po toy ny an' zazakely
Tsy hivatravatra hamono velively


Tambitamby tsikitsiky hantahanta
Fa tsy atao toy ny voankazo manta
Horokoroka tositosy,safosafo Fa
tsy taratasy mora levon'ny afo


Hotiavina ho ampiana ho deraina
Fa tsy ny mafy no asiana sedraina
Jerena haremina raha sendra ka mianjera
Fa tsy ho lalovina toy ny  kaopy sy nyvera


Miara-miasa reseo  ny hakamoana
Fa tsy ho toaka lava  miaro hamamoana
Ho mirana ho tsara hahafatifaty
Fa tsy hitrakitraky toy ny taolam-paty


Fifakatiavana fanajana mahafaly fo
Fa tsy alahelo hiteraka famoiza-po
Fanantenana fikirizana faharetana
Fa tsy ny fahamaikana hangorona ny entana .



       Tsy resy akory raha mangina...

Hevitra mandeha

ANJARA7 (08/07/2009 15:24:59)

tena mba mahaliana ny aigam panahyndry ry endrika tohizo fona fa arahanay mbola tsy mahay mamorona tonokalo!

endrika01 (12/07/2009 10:01:02)

ANJARA7>Misaotra e,

tsy ianarana angamba izy io kou,

hi hi hi,laingako zany fa tena misy drafitra arahina ,toy ny
mianatra kabary ihany kou e,fa ny vetsoko dia entiko milamina
fa tsy asiako haingokaingony,tsy kalaza lahy na kalaza vavy,fa
maniry kosa raha maniry ,mba hisy fiatsarany 'zany aingam-panahiko!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha