VONIALA (namana serasera) (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONIALA


Namana ianao ry i Voniala
Namana tsy mbola fantatro
Izaho anefa tsy hisalasala
Ny hametrak'ireto hafatro


Mandrisika'ahy ianao hiezaka
Mba hanakatr' ilay dingana
Izaho anefa tsapako mifezaka
Ny handeha irery sao misingana


Tsapako fa tsara sady mahasoa
Ny toro-hevitrao feno fitiavana
Angamba mety hisy tombotsoa
Raha hoentiko am-piniavana


Manitikitika ny saiko foana
Iza marina ary i Voniala
Hiezaka aho hiandry lay fotoana
Raha mbola ato ka tsy miala


Indraindray toa vavy,lahy
Sa izaho no efa fanimpanina
Zay retra zay mahavery ahy fanahy
Mahatonga ahy tsy ahatelin-kanina


Tsy fantatro mihintsy hoe nahoana
Fa raha sitrakao re mba hazavao
Hialan'ny finoanoako foana
Vavy ve sa lahy ity namako vaovao


Eny apetrako ny peniko
Fa hotohizako eto ihany
Sao tsy ampy ka honeniko
Ka hofenoiko hatrany hatrany


(Io ary lay Tononkalo atolotro ho anao.
dia ahitsio zah e)
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1362 2
Mpakafy: Vitsikakely - endrika01
Hevitra mandeha
AINA77 ( 05/06/2008 09:28)
fa de iza lotra ary io olona mapalasa saina anao io
Vitsikakely ( 08/06/2008 08:31)
ha!za koa mba andefaso otran'io,endrika01 a
endrika01 ( 08/06/2008 11:08)
AINA77>tena vaky mintsy ny lohako fa ianao angah ahoana e,ataoko hoe vehivavy toa lehilahy,mafinaritra anah ny mitafa aminy fa tiko fantatra we vavy sa lahy lay namako!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177