ALAO HERY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekena ianareo fa misara-toerana ;
Ny fifandraisana mihena…tsy ferana.
Inona anefa no tokony hatahorana ?
F’angaha ‘lay fitia tsy efa mafy fatorana ? !

Ianareo manaiky fa tsy maintsy misy ny sedra.
Ka inona no olana…ny fitia angaha voageja ?
Tsy ‘zay elanelan-tany, tsy ‘zay fahoriana
No sanatria hamadihana dina !

Tarafo ny ho avy, tsinjovy ny ho ezaka :
Ny fo tena tia tsy mitofezaka !
Ny finoana amafiso, asandrato ny vavaka,
Fa handresy ‘nareo…fandresena goavana !

- Alao hery…na dia irery ! –

2002F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
939 1
Mpakafy: fanasina7
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171