mitia mangina (fanasina7)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro ianao, fa efa manan-tompo
Na izaho koa aza, efa manana ny ahy
Saingy indrisy re, tsy voafehiko ny foko
Mitia mangina anao tsy amin'ahiahy.

Vao mamoaka sary ianao, ato anaty fesiboky
Dia midoboka ny foko, mitsiriritra mafy
Manara-po ny masoko, toa tsy mety ho voky
Mitelin-drora, mankafy ... tsy mihafihafy.

Kely ny finoako hoe : ho to ny nofinofiko
Ka dia mitia mangina sisa, no hany azo atao
Ireo sarin'ny hatsaranao ... no iondanako, tolomiko
Zary sampy ato am-poko, hatramin'ny nahitako anao.

Mety adala ve ny foko, raha mitia mangina anao ?
Eny e, ny hadalan'ny foko, no mahasambatra ahy hatrizao !
*** fanasina7 ***
073004171941
(mpanoratsora-poana)
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
264 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152