ODY FITIA TENA MANDAITRA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ODI-FITIA TENA MANDAITRA

F'ahoana Razily no toa mitan-tsaoka a !
Sady toa mivembena toa ny mamon'ny toaka !

Hono ho'aho lesy, mba aiza ho aiza,
No misy dadarabe tena mahay mitaiza ?
Hitady odi-fitia aho lesy hitazomam-behivavy a
Fa izay niaraka tamiko, dia nisintaka aby.
Ka manomboka izao, raha mahazaka ankiray
Dia mba hifikitra amiko mandrakizay !

Torohevitra tsotra no homeko an'ialahy
D'izay nolazain'ny Ntaolo sy ireo anti-panahy
Hoe, ny VOLA anie hono no maha rangahy eee
Ka vao homen'ialahy vola izy, dia mety hafahy.
Io no odi-fitia, izay tena mandaitra
Vao mahita vola izy, tonga dia taitra
Ireo mbola mpitovo, vao antsoina io dia avy
Mety ho azon'ialahy koa, hatramin'ny efa manambady
Ataovy maro ny vola, arantiranty vehivavy
Fa ho hitan'ialahy eo, fa maro no hanatona ho azy.
F'izay manam-bola Razily a, kanefa ratsy tarehy
Dia azo antoka mihitsy, fa handripaka be
Io no odi-fitia, hatramin'ny fahagola
Fa ny vehivavy rehetra, dia adalam-bola.

Ô lehiretsy a, mitadiava vola raha te ho tiam-behivavy
F'io no odi-fitia hisaritana azy.

*** fanasina7 ***
051309190504
(mpanoratsora-poana)

Rohy Pejy Fesiboky :
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1013 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105